Questions? +1 (202) 335-3939 Login
Trusted News Since 1995
A service for global professionals · Thursday, April 18, 2024 · 704,644,494 Articles · 3+ Million Readers

Ny Fifehezana ny Krizin’ny Pesta ao Madagasikara

Ny areti-maso areti-mandringana eto Madagasikara dia mihetsiketsika haingana dia haingana ny fitandroana izao

Faly tokoa aho fa afaka namoaka izany horonantsary izany tao anaty fotoana fohy, mampiseho ny fomba fishorahana ny fiparitahan’ny pesta ao Madagasikara.”
— Firdaus Kharas
OTTAWA, KANADA, October 24, 2017 /EINPresswire.com/ -- Mandrakotra ny nosy Madagasikara ny onjan’ny pandriaka pesta vaovao, narahin’ny Chocolate Moose Media (CMM) izany tanatin’ny famokarana horonantsary entina mifehy izany aretina izany.

Nitombo avy telo heny ny mararin’ny aretina pesta “bubonique” sy “pneumonique” nandritra ny herinandro lasa, ka nahatratra ny isa 1500 eo eo ny marary ary dia miha-goavana tokoa izany pandriaka izany. Noho izany, zava-dehibe ny famoahana ny horonantsary. Nampiasa ireo lesona hita ao amin’ny tantara an-tsary momba ny aretina Ebola ny CMM, aretina izay nandripaka ny Afrika Andrefana tamin’ny taona 2014, satria mitovitovy ny fomba fifindran’ireo aretina samy hafa ireo.

Ilazao ny olona, ry anabaviko no lohatenin’ny horonan-tsarimihetsika entina ampafantarina ny vahoaka Malagasy miisa 25 tapitrisa fa tokony hialana ny mifanerasera, ohatra amin’ny alalan’ny fikohafana, ary indrindra amin’ny alalan’ny fikithana voalavo sy mpitondra aretina hafa, na mbola velona na efa maty. Hita anatin’izany horonantsary izany ihany koa ny fisin’ny henatra eo anivon’ireo marary mapiseho faritr’aretina, ka manentana azy tsy hiafina fa hanantona toeram-pitsaboana avy hatrany.

Ity horonantsary ity dia natao tamin’ny fiteny telo – ny fiteny Malagasy, Anglisy, ary Frantsay – ary endrika telo ihany koa eo amin’ny fomba fampitana azy : “HD”, “standard” ary “3GP” ho an’ny “applications” amin’ny finday. CMM dia manentana ny olona sy ny fikambanana rehetra mba hijery sy hisintona izany horonantary izany ao amin’ny tambajotra Youtube na Vimeo sy hampiasa azy amin’izay ilàna azy izany. Eny na dia goavana izany asa nataon’ny CMM izany, dia tsy misy sarany ary tsy ferana ny fampiasana izany.

“Faly tokoa aho fa afaka namoaka izany horonantsary izany tao anaty fotoana fohy, mampiseho ny fomba fishorahana ny fiparitahan’ny pesta ao Madagasikara.
Ny sary mihetsika dia sehatra malalaka tsy voasakan’ny ny tsy fahazaina manoratra sy mamaky ary mampiseho amin’ny fomba mazava tsara ny antony sy ny fifindran’ny pesta,” hoy Firdaus Kharas, mpanorina ny CMM.

Ireo izay efa niasa tamin’ny fanatontosana ny horonantsary mahakasika ny Ebola, dia nanajanona ny asany hafa ka nanolotra ny asany “Ilazao ny olona, ry Anabaviko” maimaimpoana, ao anatin’izany i Brent Quinn,mpiara-manoratra, i Artha Animation,mpanao horonantsary, i Andrew Huggett mpamorona sy mpamoaka lahatsoratra, ary I Kunal Patel, mpanolotsaina. Ny Masoivoho an’ny firenena Kanadà
(Canada) ao Madagasikara dia anisan’ny mpandray anjara lehibe tanatin’izany rehetra izany.


Mombamomba ny Chocolate Moose Media

Chocolate Moose Media (CMM) dia mpamokatra horonantsary voalohany eran-tany eo amin’ny sehatry ny fanovana ny fomba sy fihetsika manoloana ny olana ara-pahasalamana sy sosialy eran-tany. Tarihan’ny Firdaus Kharas, izay tale sy mpanao asa ara-tsôsialy, CMM dia mamokatra horonantsary mihetsika, fanadihadiana, horonantsary ary tantara mitohy hita amin’ny fahitalavitra ho fanabeazana, fialam-boly, ary ho fanovana ny fitondra-tena afahana mitarika ny mpijery, ny fahalalan’izy ireo sy ny toe-tsaina sy fihetsika, indrindra ireo ankizy sy tanora, entina manatsara ny fiainan’ny olombelona.Mihoatra ny 3600 horonantsary mihetsika amin’ny fiteny miisa 240 hita ao amin’ny tambajotra Vimeo. Raha te hafantatra bebe kokoa, tsidio ny www.chocmoose.com

Mike Levin
Chocolate Moose Media
613 233-9970
email us here

Ilazao ny olona, ry anabaviko

Powered by EIN Presswire


EIN Presswire does not exercise editorial control over third-party content provided, uploaded, published, or distributed by users of EIN Presswire. We are a distributor, not a publisher, of 3rd party content. Such content may contain the views, opinions, statements, offers, and other material of the respective users, suppliers, participants, or authors.

Submit your press release